Hotontosaina anio, ao Afrika Atsimo, ny fihaonana mandroso eo amin’ny Bafana Bafana Afrika Atsimo sy ny Barean’i Madagasikara. Lalao tafiditra anatin’ny dingana faharoa ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika 2028, hatao any Los Angeles, taranja baolina kitra sokajy U23. Tsara ny mampatsiahy fa ity no lalao voalohany ho an’ny Barea, satria tsy niatrika ny dingana voalohany izy ireo, noho ny fialan’ i Comores an-daharana.
Ampahafantarina fa mpilalao avy eto an-toerana miisa 14 no mandrafitra ny Barea, valo mpilaravinahitra avokoa. Mpiandry tsatoby telo, nentin’ny teknisianina frantsay, Boualem Mankour, hiatrika ity lalao ity any an-toerana. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, any Afrika Atsimo mihitsy vao hivondrona ireo mpilalao rehetra ireo.
Ampahafantarina ihany fa ny 17 novambra ho avy izao any Afrika Atsimo no hanaovana ny lalao miverina amin’ity fihaonan’ny Barea U23 sy ny Bafana Bafana ity. Noho ny tsy fisian’ny kianja ankatoavin’ny Caf eto Madagasikara, voatery any ivelany ny Malagasy no mampiantrano ny lalaony.
Fitia Randria





