Nisaotra ny mpanazatra Rarivoson (Son), ny ekipan’ny FTM Manjakaray taranja rugby ny alarobia lasa teo. Raha ny vaovao voaray, tsy hitondra io fileovana io intsony ny tenany, ho an’ny taom-pilalaovana 2027. Nifindra ary hitondra ny ekipan’ny CEA Andranomanalina indray izy manomboka izao.
Ho fanomanana ny taom-pilalaovana 2027, mikarakara lanonana fitadiavam-bola ny Uscafoot, ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sakafo arahina seho an-tsehatra no karakarain’izy ireo, ny alahady 6 desambra. Harotsaka manontolo ao anatin’ny kitapom-bolan’ny klioba ny vola rehetra azo amin’izany.
Hiara-dalana ny lalao miverina hataon’ny Barea A sy ny U23, eo amin’ny fifaninanana hatrehiny. Samy hatao ny talata 17 novambra avokoa izany. Ny an’ny sokajy zandriny, fihaonana hikatrohana amin’ny Bafana Bafana hatao any Afrika Atsimo. Ny an’ny zokiny indray, fifandonana amin’i Guinée Bissau, hatao ao Estadio Nacional 24 de Setembro.





