Ho fankalazana ny Mozika metaly malagasy sy ho firaisan’ny mpankafy Rock, hisy ny fampisehoana lehibe “November Rock XV”, karakarain’ny tarika Rheg The Rang sy ny OtoProd.
Ny 29 novambra izao, eny amin’ny Garage Mozika 67Ha no hanatanterahina ny « November Rock » andiany faha-15. Amin’ity taona 2026 ity, hisy endrika vaovao sy manokana ny lanonana. Anisan’ny mampiavaka azy ny tsy fisian’ny vidim-pidirana. Tsy hisy ny tapakila vidiana mialoha na eny am-baravarana. Ny fanjifana ireo vokatra, sakafo ary zava-pisotro atolotra eny an-toerana kosa no hisolo ny vidim-pidirana. Tsiahivina, niorina tamin’ny taona 2012 ny foto-kevitry ny “November Rock”. Tanjona napetraky ny Rheg The Gang sy ny OtoProd, tamin’izany, ny hanana fotoana iray manokana isan-taona hanomezana sehatra ny mozika rock sy metal, hampahafantarana ny sanganasan’ ny tarika ary indrindra hampivondronana ireo mpankafy. Maro ireo tarika sy mpanakanto no efa nandray anjara tamin’ity hetsika ity. Anisan’ireo nahazo sehatra sy nisongadina tamin’izany ny Lokomotiva sy Martz ary ireo tarika efa manana ny lazany toa ny Apost sy Sasamaso.
Hizara roa lehibe ny fampisehoana. Hatokana ho an’ny seho Acoustic Soft, izay hanasongadinana ny lafiny malefaka sy ny hakanton’ny mozika, amin’ny alalan’ny fandrindrana hira mifanaraka amin’izany. Tapany voalohany, ho an’ ny Heavy Show. Hiverenan’ny Rheg The Gang amin’ny gadona mavesatra sy mahery vaika, tena mampiavaka azy kosa, ny tapany faharoa. Homena lenta matihanina manokana ny seho amin’ity taona ity. Fanamafisam-peo fampiasa amin’ny fampisehoana goavana no hampiasaina mba hahazoana vokatra ara-peo mifanaraka amin’ny kalitao andrasan’ny mpankafy. Hiova endrika tanteraka ihany koa ny efitrano ao amin’ny Garage Mozika. Hisy ny haingon-trano sy ravaka manokana miompana amin’ny tontolon’ny metal mba hamoronana rivo-piainana hafa mihitsy sy hanomezana endrika miavaka ny toerana.
Mi.Raz





