“Salon littéraire chrétien des livres”, hetsika momba ny literatiora, karakarain’ny Trano famoaham-boky Antso FJKM, etsy Analakely. Hotanterahina ny alarobia 18 novambra 2026 izao, ao amin’ny Salle 201 – Foibe FJKM Analakely. Fotoana iray hahafahan’i Ny Tsiaro mampahafantatra bebe kokoa ny asa sorany, mizara ny vokatry ny talentany ary indrindra manohy ny dia efa natombony.
Teny fanevany ny “Mba ho fiderana ny voninahiny izahay.” (Efesiana 1,12). « Ny talenta nomena azy no atolony ho fitaovana hanompoana Ilay nanome izany », araka ny nambarany. Niandoha tamin’ny fanoratana tononkalo. Namolavola, nanabe ary nivelarany ny Faribolana Sandratra. Nanomboka ny taona 2021, nanoratra boky mirakitra tsianjery sy hira ary tantara krismasy ho fanampiana ireo kristianina manomana ny fankalazana an’i Jesoa amin’ny andro Noely. Tamin’ity taona 2026 ity, nisy karazana boky hafa navoakany, miompana hatrany amin’ny fitoriana Filazantsara amin’ny ankizy sy ny tanora. Ho an’i Ny Tsiaro, tsy fialamboly fotsiny ny fanoratana fa fomba iray hanatanterahana ny iraka napetrak’Andriamanitra aminy.
HaRy Razafindrakoto





