Ratsy ny vokatra teo amin’ny lalao voalohany ho an’ny Barean’i Madagasikara, U23. Resin’ny Bafana Bafana Afrika Atsimo, tamin’ny isa 1 no 0, ny Malagasy.
Niondrika tamin’ny isa tery, 1 no ho 0, nanoloana ny Bafana Bafana Afrika Atsimo, ny Barean’i Madagasikara, nandritra ny lalao mandroso hiadian-toerana ho an’ny lalao Olympika (JO 2028) sy ny Can U23. Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Lucas Moripe Stadium, ao Cape Town. Baolina tokana nampidirin’i Quwan Plaatjies, teo amin’ny minitra faha-73, tamin’ny alalan’ny lohany taorian’ny «corner» azon’izy ireo io. Tamin’ny ankapobeny, ekipa zakan’ny Malagasy tsara ry zareo Afrikanina Tatsimo. Nampiseho endri-dalao nahafinaritra ny Malagasy. Nahay nandrindra ny fanafihana niainga avy aty aoriana. Olana nefa ny fanariam-baolina. Matetika izy ireo no manao tolotra ho an’ny mpifanandrina. Anisan’ny tsy nahatazom-baolina i Christiano, lohalaharana. Teo koa ny afovoan’ny kianja, nisy an’i Tafita sy i Noah. Na teo aza izany, tsy dia nisy natahorana loatra ny fanafihana nataon’ny Afrikanina Tatsimo. Tsy nisy ny baolina tafiditra nandritra ny fizaram-potoana voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, toa hita nitambesatra teo amin’ireo mpilalaon’ny Barea ny havizanana. Namela ireo mpilalaon’ny Bafana Bafana halalaka sy hanamboatra fanafihana ry zalahy. Hany ka nisesy ny baolina saika matin’izy ireo. Anisan’izany ny teo amin’ny minitra faha-62, saingy voadonan’i Christopher, mpiandry tsatoby ny daka. Toy izany koa ny teo amin’ny minitra faha-68 izay mbola navotany hatrany. Mpilalao nisongadina ho an’ny Barea, ny tovolahy. Ankoatra izay, tsy ampy teo amin’ny Malagasy mpilalao ny fiarahana. Mbola afaka manarina ny tsy mety ny mpanazatra, mialoha ny hiatrehana ny lalao miverina, rahampitso talata.
Tompondaka





