Hafatra manokana ankoatra ny efa nambaran’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) no nentin’ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré. «Mibebaha isika. Aoka tsy hihatsaravelatsihy lava eto. Tsara ny kabary saingy tsy misy ny fiovana», hoy ny teny fampianarana nataony tao Antsirabe ny alahady teo. Nanteriny ny tsy tokony hamonoana ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay. Fantatra ny ratsy sy ny tsy mety ary ny tsara ka mahaiza mifidy ny tsara fa ialana sy ajanona ny ratsy, araka ny nambarany hatrany.
Hafatra nampitainy ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy izany tamin’ny famaranana ny fihaonamben’ ireo pretra diosezianina maherin’ny 1 126 manerana ny Nosy, niofana tao Antsirabe nandritra ny hefarana ny herinandro teo.
Anisan’ny nohalalinina sy nifampizaran’ireo evekan’i Madagasikara tonga tany an-toerana ny fanamby miandry ny Pretra araka ny iraka ankinina aminy. Eo koa ny fifampizarana momba ny fiainam-pirenena. Manampy ireo ny fihazakazaky ny teknolojia manoloana ny fiangonana. Teny manetana izao fihaonambe, nifarana ny alahady teo izao «Hinoy izay vakinao, ampianaro izay inoanao ary araho izay ampianarinao».
Tsiahivina fa samy tonga niatrika izany avokoa ireo pretra diosezianina rehetra avy amin’ny diosezy. Nitarika izany tany an-toerana ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny Fem, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, evekan’ny diosezin’i Morondava. Nisolo tena ny fitondram-panjakana ny tale kabinetran’ny faritra Vakinankaratra.
Synèse R.





