FANTINA sy FINTINA

Mpanolotsain’ny PDS an’Antananarivo Renivohitra, i Solonandrasana Mahafaly Olivier,
amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany tamin’ny haino aman-jery iray afakomaly. Nohamafisiny tamin’izany fa niangavian’ny PDS hanampy azy ity Praiminisitra teo aloha, fony fitondrana Rajaona­rimampianina ity noho ny traikefa ananany.
Mitsabo tena any Inde ny filohan’ny FJKM, Andriamampianina Zaka amin’izao fotoana izao. Na izany aza, tsy nohadinoiny ny nizara ny teny fampianarana efa mahazatra azy. Nomarihiny koa fa tanàna efa nandalovan’ny apostoly Paoly, nitoriany teny ny toerana itsaboan’ny filohan’ny FJKM tena.
Tsy maintsy ahitana vokatra manomboka izao ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo. Namory ireo tomponandraikitra momba ny ady amin’ny kolikoly izy. «Tokony ho hentitra ny fepetra sy ny sazy na iza na iza», hoy izy.
Nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny andraikitry ny olom-pirenena eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Vovonan’ny Fihavaozan’i Madagasikara (VFM). Nambaran’ny depioten’Ambohi­d­ra­trimo, Rakotoarisoa Johnny, fa natao izao fifanakalozan-kevitra izao mba hanamafisana ny fanabeazana olom-pirenena ho fototry ny fampandrosoana.

Partager sur: