Niakatra fitsarana, omaly, ny voampanga 11 mianadahy, tafiditra amin’ny Raharaha Ambohimalaza. Anisan’izany i Fenohasina, tompon’ilay fety nanapoizinana ny sakafon’ireo nasaina. Tsiahivina, 35 no maty tamin’izany. Hitohy anio ny fotoam-pitsarana.
Vao maraina be, efa tomefy olona ny vavahady miditra ao amin’ny tribonalin’Anosy, omaly. Nanomboka ny fitsarana ny Raharaha Ambohimalaza, nahafatesana tanora 35, nopoizina tamin’ny sakafo ny faha-14 jona 2025. Miisa 11 mianadahy mianaka ny voampanga. Anisan’izany Rakotoarimanana Mamonjiniaina Fenohasina, tompon’ilay “Anniversaire mainty”. Nohenoina niaraka taminy kosa Randriamanga Clarisse, ampangaina ho tompon’antoka voalohany, nandraraka poizina nandritra ny fikarakarana ny sakafo tamin’ ny andron’ny fety. Nandà ny fiampangana izy teo anoloan’ny mpitsara. Nanamafy ny fanambarana voalohany nataony teny anivon’ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fakana am-bavany. Nomarihiny anefa fa nofotorana fanindroany izy teny amin’ny zandary, nalaina tany am-ponja ary niharan’ny vono. Vokany, tsy maintsy nilaza izy fa nanisy vovo-javatra tamin’ny sakafo nokarakarainy. “Valifatiny tamin’ny “Syssie” cousine-ny no nanaovany izany”, araka ny nambarany.
Samy niaro ny rambony
Ankoatra azy roa vavy, notsaraina koa i Nasandratriniaina Mendrika Lavorary, Razafindravony, Ratolojanahary Lalatiana Marina, Ravoniarisoa Faraniana Viviane, Rafaliarivo Honore, Randrianiaina Maminionja soa, Randriamahatoky Arimisa, Ralison Jizza Nambinintsoa, ary Rakotosamimanana Mamonjiarisoa Olga.
Samy tsy nisy niaiky heloka izy 11 mianadahy, voampanga.
Samy niaro ny rambony
Anisan’ny nanamarika sy nahaliana ny mpanara-baovao ny mahakasika an-dRazafindravony, mpitsabo nentim-paharazana. Nampangaina ho nanome ilay vovo-javatra narotsak’i Clarisse tamin’ny sakafo izy. Nohamafisiny fa mpamelona sy mpanasitrana olona fa tsy mpamono olona velively izy. Nandà marin-drano ny fiampangana izy. Nanazava fa hanavotra ny zanak’ilay voalaza ho tompon’antoka izy. Ireto farany izay tsy tany aminy raha tsy efa telo andro taorian’ny nisehoan’ny fanapoizinana olona. Mety hanafaka azy ny fanambaran’ilay siantifika, niditra mivantana avy any ivelany, omaly. Nanamafy ity farany fa akora simika, mahery vaika no nampiasaina, namonoana ireo tanora.
Nitsipaka ny fiampangana
Mahakasika manokana an’i Mendrika, vadin’ilay mpanao baolina malaza, anadahin’i Fenohasina dia niezaka nanala azy ny voampanga hafa nanontaniana. Naha voarohirohy azy ny disadisa teo aminy sy ilay tompom-pety. Nandà ny fiampangana azy, nolazaina fa mpaniraka sy mpiray tsikombakomba amin’i Clarisse izy. Nilaza fa tsy nahafantatra akory ny lanonana tany Ambohimalaza izy. Naverina eny am-ponja izy taorian’ny fitsarana.
Nampanantsoina avokoa ny olona rehetra niandraikitra sakafo: ny mpanamboatra mofomamy, ny mpivarotra “compose”, ny mpanatitra entana.
Voalohany, Randriamahatoky Harimisa, mpivarotra hani-masaka eo Ampasampito. Miisa 25 ny entana novidian’i Fenohasina teo aminy. Mitentina 120 000 ariary izany. Faharoa, niakatra teny amin’ny tribonalin’Anosy koa Rafaliarivo Honoré, taxi-moto nirahina nanatitra ny sakafo teny amin’i Fenohasina. Nandà ny fiampangana izy, nilaza ho tsy mikirakira sakafo fa manatitra ny fonosana na baoritra misy entana any amin’ny mpanjifa no asany. Mahakasika an-dRavoniarisoa Faraniana Viviane izay nanamboatra ny karaza-mofo, anisan’izany ilay “Donut” nalaza be, nohamafisiny fa raha misy no tokony ho faty voalohany dia izy ireo no manandrana sy mihinana ny entana tsy lasa any amin’ny mpanao kaomandy. Raha ny fanazavany, tamin’ny alalan’ny finday no nifampiresahany tamin’ny tompom-pety. Efa nandritra amam-bolana maro izy no nivarotra ary tsy mbola nisy nitaraina narary na maty ireo olona nividy sakafo taminy, nandritra ny fiarovan-tenany. Nohenoina niaraka taminy i Lanjasoa, niandraikitra ny fanaingoana ny sakafo.
“Papasôsy”
Nifarana tamin’ny 5 ora hariva ny fotoam-pitsarana izay hitohy anio. Nialoha ny fisarahan’ny rehetra anefa, nanaitra ary tena nahasarika ny mpanaraka mivantana tamin’ny fahitalavitra sy ny tambajotran-tserasera ny fihainoana an’i Fenohasina sy ilay raim-pianakaviana iray, Ralison Jizza. Ity farany izay nalentiky ny tompom-pety fa sakaizany. Fiampangana izay nolavian-drangahy satria noheveriny ho namany fotsiny ilay tovovavy. Raikitra ny famakiana bantsilana ny “tsiambaratelo”. Marihina fa, efa ny volana jolay 2026 vao nosamborina sy nampidirina am-ponja ity lehilahy ity. Herintaona aty aoriana vao nipoitra ny anarany sy ny singa nahafahana nampifandray azy tamin’ny Raharaha. Nilaza tsy mbola nanampy ara-bola an’i Fenohasina izy, kanefa noheverin’ny mpanara-baovao fa ilay “Papasôsy”. Nilaza kosa anefa ity tovovavy ity fa tsy mbola nandray vola na fanomezana avy aminy.
Handrasana ny havoakan’ny anio, fa mahatratra 50 teo ho eo aloha ny olona nangataka onitra amin’ny raharaha. Mbola tsy nohenoina rahateo ny havan’ny maty rehetra.
Mino





