TSELATRA

Lehilahy nisandoka mpanao Cash point tao Ambatondrazaka, afakomaly. Mody naka vola mitetina 2 000 000 Ar io lehilahy io ary nandositra tamin’ny taxi-moto. Nijery ny hafatra miafina tao anatin’ny finday anefa ny mpanao Cash point ka voamariny fa voasoloky izy. Nampandre ny mpitandro filaminana izy ka voasambotra ilay mpisoloky.
Kamiao lehibe iray nirehatra tampoka teny an-dalana teo Ankorondrano, omaly. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fahavoazana. Nifandrimbona nifehy ny firehetana ireo mpamily nitondra fiara teny an-toerana. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny afo.
Lehilahy mpangalatra akoho tra-tehaky ny mpiambina tao Andranomadio 11/45 Bis, Toamasina, afakomaly. Nogiazan’ity lehilahy ity teny an-tanany avokoa ireo akoho rehetra. Noraisim-potsiny teo am-pandosirana izy.
Fiara Sprinter mpitatitr’olona hihazo an’i Morombe latsaka tampoka tao anaty lalan-drano ka nivadika, omaly. Tsy nisy aina nafoy saingy simba tantareka ny ilany havia tamin’ny fiara. Miseholany ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato ka mila mailo ireo mpampiasa lalam-pirenena.

Partager sur: