Alzeria: Mpianatra 80 nahazo vatsim-pianarana

Noraisin’ny minisitra Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ireo mpianatra malagasy miisa 80 voafantina hahazo vatsim-pianarana makany Alzeria, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027. Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny minisitra, ary nanolotra ny «attestations» manamarina ny fahazoan’ izy ireo ny vatsim-pianarana. Nohamafisiny fa avy amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara ireo voafantina. Zava-dehibe ny fiverenan’ireo mpianatra an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana mba hampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azony ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Manohy ny ezaka amin’ny fanohanana ny mpianatra sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora malagasy ny Mesupres amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana hanohy fianarana any ivelany.
Tsy ny ankizy rehetra anefa no misitraka ny vatsim-pianarana amin’ireo firenena manome izany tolotra izany fa ireo tena mahay sy mendrika fanohanana hanohy fianarana ary fantatra fa mazoto sy mikiry.

Tatiana A

Partager sur: