Ady amin’ny famarinana olona : Hamafisina ny fampiharana ny sazy

Nasiam-panavaozana ny volavolan-dalàna novolavo­lain’ny minisiteran’ny Fitsa­rana. Tafiditra indrindra ao amin’ny dingana lehibe ho fanavaozana ny rafitra ara-dalàna hiadiana amin’ny fa­marinana olona eto Madaga­sikara izany.
Efa nolanian’ny Anteni­mierampirenena, tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana, nandritra ny fivoriana notanterahina tamin’ity herinandro ity izany volavolan-dalàna mahakasika ny ady amin’ny famarinana olona izany.
Tanjona ny hanamafisana ny sazy mihatra amin’ireo tompon’antoka amin’ny famarinana olona na ankolaka na mivantana. Eo koa ny hampifanaraka ny paikady nasionaly amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ary hitondra fanatsarana ny fandrindrana ny asa sahanin’ny Birao Nasionaly miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH), amin’ny alalan’ny fanitsiana ny Lalàna 2014-040 tamin’ny 20 janoary 2015.
Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-pitsarana sy ny fiarovana ny zon’olombelona, ary indrindra amin’ny ady amin’ny tambajotra mpanao famarinana olona eto Madagasikara ny fandaniana an’izao lalàna izao.
Miseho amin’ny endriny maro ny famarinana olombelona ary anisan’ny sarotra ny ady satria matanjaka ny tambazotra ary misy endrika isehoany ankolaka tena saro-pantarina sy heverina ho tsy famarinana olombelona akory aza.

Tatiana A

Partager sur: