Filatroana : Famaranana ny « Most Model Madagascar »

Tanora lahy sy vavy 12 no hiatrika ny dingana fa­maranana amin’ny «Most Model Madagascar». Hotontosaina ny 21 novambra izao ny andiany faharoa amin’ity fifaninanana ho an’ireo mpilatro voafantina ity, hatao eny amin’ny Akoa Hôtel Ivato. « Tsy ny maha mpilatro fotsiny no hatao tanjona ho an’ireo tanora ireo, fa ny hahafahany miatrika zavatra hafa ihany koa, taorian’ireo fiofanana maro nomena. Taorian’ny fi­fantenana voalohan’ny volana mey teo mantsy, nisy ny fiofanana nomena an’ireo mpilatro mahakasika ny lohahevitra maro. Anisany ny fahalalana ankapobeny, ny fahalalana momba ny lamaody sy ny famoronana, ny toe-tsaina hoenti-miatrika fiainana,sns », hoy ny nambaran’ireo mpikarakara ao amin’ny Fah style embassy, nandritra ny fampahafantarana, omaly.
Naharitra enim-bolana izay fiofanana izay, ka tao anatiny koa ny fototra takiana amin’ny filatroana sy ny fikoloana ny endrika amam-bika.
Tovovavy 7 ary tovolahy 5, avy amina faritra maro eto Madagasikara ireto hiatrika ny dingana famaranana ireto. Avy hatrany dia hahazo fifanarahana araka asa izay voalohany eo, ankoatra ny loka hafa. Haseho an-tsehatra ha­naingo ny famararana amin’io koa ilay soradihy « Lakolosy Tokana », sanganasan’i Ariry Andriamoratsiresy.

Zo ny Aina

Partager sur: