Nikasa handositra rehefa nentin’ny mpitandro filaminana hihazo ny birao ka maty voatifitra ny dahalo raindahiny tao amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’ Ihosy, afakomaly. Nitrangana halatr’omby tao amin’ny tanànan’i Vatambe, ny talata 17 novambra lasa teo. Noraofin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana ny omby miisa 24. Nanara-dia avy hatrany ny tompon’omby sy ny fokonolona tao amin’ny tanàna lasibatra. Voasambotra tao amin’ny fokontany Bekily, kaominina Andriandampy ny iray tamin’ireo dahalo nanao ny halatr’omby.
Lehilahy tratra teo am-pangalarana akoho
amin’ny andro atoandro tao Antaramanana, kaominina Vontovorona, afakomaly. Hitan’ny olona manodidina ny fihetsik’ity lehilahy ity. Nosamborin’ny fokonolona izy ka noraisim-potsiny. Naterina teny amin’ny zandary ary natao famotorana.
Renim-pianakaviana nampanao horonantsary mamoafady ny zanany vavy 13 taona, notanana am-ponja, tao Sambava, afakomaly. Noteren’ity ramatoa ity ilay zanany ary nalefany amin’ny teratany vahiny ny horonantsary mba hahazoany vola.
Notanana atao famotorana ilay mpamily kamiao nandona ka nahafaty zaza tao Port Bergé, afakomaly. Nidina tamin’ny bisikleta io zaza io ary taitra tampoka nahita ny kamiao. Nifatratra tao ambanin’ny kodiarana avy hatrany izy.





