Fanarenana NY teny malagasy: manana anjara andraikitra ny mpanao literatiora

Famerenan-kasina ny teny Malagasy… Samy miezaka ny amin’izay ny ankolafy rehetra voakasiky ny sehatra. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpikatroka, omaly.

Tontosa ny alarobia 1 marsa 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora”. Hetsika fanaon’ny fikambanana Famoloana Telozoro, iarahany miasa amin’ ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Tonga maro ny mpanoratra sy mpianatra ary mpandalina ny teny ma­lagasy niatrika ity velakevitra notarihin-dRatsimbazafy Heriarilala ity. Tanjon’ny he­tsika ny hamerenana ny ha­sin’ny teny malagasy.
Nifanitsy sy nampiady hevitra ary nifampizara teny amin’ny Tranombokim-pirenena ireo mpandalina sy mpikirakira ny teny malagasy, indrindra ny misehatra eo anivon’ny literatiora. Maro ny hevitra novelabelarina nandritra io fotoana io. Anisan’izany torolalana amin’ny fampisana ny teny malagasy, ny vokatry ny tsy fahafehezana azy, indrindra ho an’ny mpanoratra, ny antony mahatonga ny tsy fahafehezana ary ny va­haolana manoloana izany.
“Mandiso ny mpanoratra sy mpampiasa ny teny malagasy eo anivon’ny literatiora. Heverin’ny olona fa marina anefa izy ireny ka lasa mandiso ny rehetra, hatra­min’ny fanjakana foibe”, hoy Ratsimbazafy Heriarilala, ta­nora mpandalina ny teny ma­lagasy. Ny firoborobon’ny tekinolojia sy ny fiteny vahiny eto amintsika no isan’ny antony mahatonga ny tsy fahafehezana intsony ny teny malagasy. “Maro ny mpanoratra no manao fisainana vahiny eo am-panaovana ny asa sorany ka lasa mandika fotsiny ny teny vahiny ao amin’ny asa sorany”, hoy ity mpitarika ny vela-kevitra ity. Tsy nijanona fotsiny tamin’izay anefa ny fikambanana Telozoro, indrindra ny tompon’andraikitry ny vela-kevitra fa nandroso va­haolona manoloana izany. Tolo-kevitra narosony ny fandalinana sy fianarana bebe kokoa ny teny malagasy. Manaraka izany ny famakiana sy fananana boky sahala amin’ny Rakibolana malagasy. Farany saingy tena manan-danja ny fanivanana sy famakiana ny asa soratra mialoha ny hamoahana sy hanapariahana azy.
“Mitarika amin’ny fahapotehana hatrany amin’ny fahafatesan’ny teny malagasy ny tsy fahafehezana azy”, hoy Ratsimbazafy Heriarilala. Eo ihany koa ny laza ratsy ho an’ilay mpanoratra.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: