Mitohy hatrany ny hetsika karakarain’ny Sehatra Ba Gasy. Fantatra fa ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahin’i Tantely Ramaromiantso mivady ny «atrikefa». Lohahevitra hazavain’izy ireo amin’izany «Ny fomba fitendry piano tendry gasy». Hisy hatrany ny hira handravaka ny eny antsefantsefan’ny fanazavana. Mitohy avy hatrany amin’ny «zarasehatra» ny fandaharam-potoana amin’io sabotsy io, rehefa tapitra ny «atrikefa».
Marihina fa anisan’ireo mpitendry piano manana traikefa matanjaka amin’ny tendry gasy i Tantely Ramaromiantso. Tarika sy mpihira maro no miara-miasa aminy amin’ny fitendrena piano na orga. Anisan’ireny ny tarika Solika, tarika Tsi-Ahy, tarika Angolan’Imerina… Amin’ny tontolon’ny tendry gasy sy kalon’ny fahiny ary ny hiran’ny omaly, tia mifanakalo sy mampita fahalalana ho an’ny hafa, rahateo, i Tantely Ramaromiantso sy ny vadiny izay marihina fa mpihira.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto