Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-137 ny «Concert classique de midi», karakarain’ny Madagascar Mozarteum sy ireo mpiara-miasa aminy. Hiavaka ny amin’ny talata 7 marsa izao satria ireo tanora nandrombaka ny laharana tsara indrindra tamina fifaninanana fahaiza-mitendry piano no hiaka-tsehatra manomboka amin’ny 1 ora tolakandro tsy diso, etsy amin’ny Institut français de Madagascar(IFM), Analakely.
I Manohisoa Rasamoelina sy i Nathanael Enoc Andrianiaina ary i Mbolamamy Sergio Randriamihoatra no hamelona indray ny sanganasan’i Johann Sebastian Bach, Ludwig Van Beethoven, Fréderic Chopin, Sergueï Prokofiev.
Anisan’ny tombony lehibe nananan’ny tontolon’ny mozika klasika maneran-tany ny fahaizan’ireo mpamorona ireo ny solfezy. Voarakitra an-tsoratra avokoa ny sanganasan-dry zareo. Tsy tazana loatra teo amin’ny mozika malagasy ny endrika tahaka izany, hany ka maro ny hira malagasy no niovaova be vao tonga amin’izao endriny ankehitriny izao.
HaRy Razafindrakoto