Zavakanto avy any avaratra: hitondra ny « Sakasaka » ny Compagnie Zolobe

Ny «Festival Zegny ‘Zo», no tena nampisongadina ny Compagnie Zolobe. Hivon­dronan’ireo mpanakanto ma­rolafy, avy ao Antsiranana ity tarika iray ity. Efa aman-taonany maro no nitrandrahan’
izy ireo ny karazam-pampisehoana marolafy amina fotoana sy sehatra iray. Ankoatra ny “Festival Zegny ‘Zo” fanao any Antsiranana, mizara ny kantony amin’ny faritra hafa hatrany ivelany ihany koa ry Zolobe. Fantatra fa manokana fotoana eto Antananarivo izy ireo amin’ ity faran’ny herinandro ity.
Mandray anjara amin’ny “Festival Zaza mifety” etsy amin’ny IFM Analakely aloha izy ireo, ny sabotsy 4 marsa izao. Hitondra ny “Sakasaka”, ilay fampisehoana hifanga­roan’ny seha-kanto maro, toa ny mozika, dihy, clowns, sns, izy ireo. Natao mifanaraka amin’ny lolahevitry ny hetsika io seho io. Ny alina kosa, hizara ny salegy amin’ny endriny rehetra etsy amin’ny No Com­ment Bar Isoraka ry Zolobe.

Zo ny Aina

Partager sur: