Namokatra ny fiarahan’ny Yas Madagasikara sy ny ekipazy ASACM nisy an’i Fred sy i Tahina. Vokany, nandrombaka ny anaram-boninahitra 2026 eo amin’ny rallye izy mirahalahy. Ho fisaorana azy ireo sy ho fankalazana ny fandresena, nanolotra lelavola ho azy ireo ity mpanohana ofisialy ny ekipazy ity.
Nifarana ny alahady 15 novambra lasa teo ny fifaninanam-pirenena ho an’ny Rallye 2026. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny ekipazy Fred sy i Tahina mpanamorin’ny klioba ASACM, tohanan’ny Yas Madagasikara. Ho fisaorana azy mirahalahy noho ny vokatra azony, nanolotra lelavola mitentina 10 tapitrisa Ar, ny mpanohana ofisialy. Notanterahina omaly, teny Andraharo, ny lanonanana nanomezana izany ka ny tale jeneralin’ny Yas Madagasikara, i Benoit Janin. Nisaotra azy mirahalahy ny tenany noho izao anaram-boninahitra azony izao ary mbola mampirisika hanao ny tsaratsara kokoa amin’ny manaraka. Nampanantena fa mbola hiara-dalana ny roa tonta amin’ny taom-pilalaovana manaraka. “Raha vonona hiatrika ny dingana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika izy mirahalahy, eo foana ny Yas Madagasikara hanohana azy”, hoy izy. Tsiahivina fa anaram-boninahitra voalohany ity, azon’i Fred sy i Tahina ity izay mitondra ny fiara Subaru. Nankasitraka sy nisaotra ny Yas Madagasikara izy mirahalahy noho ny fahatokisana azy ireo, ary tsy nandiso fanantenana ny vokatra satria nisalotra ny anaram-boninahitra. Manantena ireto mpanamory avy amin’ny klioba ASACM ireto fa hitohy hatrany ny fanohanana avy amin’ity orisan-tserasera ity. “Tsy misy ny tsiambaratelo fa ny ezaka sy ny fifampitokisana teo aminay mirahalahy sy ny Yas Madagasikara angamba no nahatonga izao vokatra izao”, hoy i Fred. Nomarihin’i Tahina fa mbola lavitra ny fanombohan’ny fifaninanam-pirenena 2027 ka tsy mbola afaka ny hilaza ny amin’ny fanavaozana na ho fiovana amin’ny fiara entiny izy mirahalahy. Marihina fa nisy fampisehoana hafainganam-pandeha natao teo an-tokotanin’ny Yas Madagasikara nataon’i Fred, nitondrana ny tale jeneraly.
Tompondaka





