Nosamborin’ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nisoloky mpanao Cash point teny amin’ny kaominina Tanjombato, afakomaly. Nampiresaka an’ilay mpiasa eo amin’io toeram-pandefasana vola io ity lehilahy ity, ny zoma atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Nilaza haka vola amin’ny alalan’ny Mvola izy. Nampiahiahy avy hatrany an’ilay mpiasa anefa ny fihetsik’ity mpisoloky ity. Nanohy ny fandrebirebeny ilay lehilahy. Tsy nisy ny vola nolazainy anefa tao anatin’ny finday teny aminy. Nampandre manam-pahefana avy hatrany ilay mpiasa. Nigadona ara-potoana ny ekipan’ny UIR taorian’ny naharaisain’izy ireo ny antso. Nosamborina ilay voalaza ho mpisoloky. Nandà ny fanenjehana azy ity farany. Nentina natao fanadihadiana teny anivon’ny kaomisaria Foibe Tanjombato izy. Hatolotra fampanoavana aorian’io. Marihina fa efa fomba fiadin’ireo mpisoloky ny tahak’ity nataon’ity lehilahy ity.
Tsiferana R.





