VAOVAO TAMBATRA

Manokatra varavarana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy manamora ny fifanakalozana ara-barotra amina firenena 92 ao anatin’ny frankôfônia ny teny frantsay. Tombony ny fampiroboroboana ny in­dostria sy ny fivelaran’ny orinasa izany, mahatratra 300 tapitrisa kosa ny mpanjifa. Ilaina ny manararaotra ireo fahafahana atolotry ny tontolon’ny Frankôfônia mba hanamafisana ny fifanakalozana sy ny fampiasam-bola.

Tafatsangana ny herinandro lasa teo ny “Bureau des Mines” ao Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana. Natomboka ihany koa ny fanentanana sy fanomezam-baovao mahakasika ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Manana akora maro ny distrikan’Ampanihy toy ny volamena, manjarano (graphite), “labradorite”, vato kristaly, “corindon” sy ny maro hafa.

Nandray anjara tamin’ny foara iraisam-pirenena “Food Ingredients Europe” (FIE 2026) tany Francfort, Alemaina ny 17 hatramin’ny 19 novambra lasa teo i Madagasikara. Orinasa malagasy 11 no mampiranty ny vokatrany ao amin’ny “Pavillon Mada­gascar” izay manandratra ny vita malagasy. Manana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra malagasy, ahitana ny Lavanila, jirofo, kakaô, zava-manitra, menaka manitra sy ny maro hafa.

Partager sur: