Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity taona ity ny tany Ambohitseheno, kaominina ambanivohitra ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tamin’ny alalan’ny fampirisihana ny ankizy ho tia vaky boky, sy ho fampiroboroboana ny vakiteny izany. Anisan’ireo kaominina ambanivohitra manana Ivontoerana famakiam-boky ny fanabeazana ara-kolontsaina na Clac Ambohitseheno, ary nahiana taham-pahavitrihana ambony hatrany izany. Hetsika maro samihafa no nifandimbiasan’ireo mpianatra tamin’ny izany tahaka ny diabe natao manodidina ny tanàna, « Ndao hamaky boky », fifaninana dihy sy hira, fifaninanana tononkalo, ary famakiam-boky ho an’ny ankizy. Anisan’ny nanamarika ity fankalazana ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ny mpilalao tantara sy mpanoratra angano toa an’i Arikaomisa Randria.
Ny 20 novambra 1959 ny Fivoriamben’ny firenena mikambana no nanaiky ny fanambarana mahakasika ny zon’ny ankizy. Ny 20 novambra 1989 kosa ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana no niara-nanaiky ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy tsirairay maneran-tany. Taty amin’ny taona 1991 i Madagasikara no nankato tamin’ny fomba ofisialy izany fifanarahana izany.
Zo ny Aina





