Dingana iray indray no vita. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny Air du By Pass, ny mahakasika ny fifaninanana “Miss Analamanga” amin’ity taona ity. Tovovavy 33 no voafantina hifaninana amin’ity, ka efa nampahafantarina omaly ihany ny “Top 10”. Tsy midika akory izany fa efa izy ireo no hisongadina, satria mbola mandalo dingana maro ny fifaninanana, ary maro toa izay koa ny masontsivana hapetraka amin’ireto tovovavy ireto. Nifandimby nilatro nanoloana ireo mpitsara ireo mpifaninana. Ny fitafy malagasy sy ny fitafy an-tanàn-dehibe no nitsarana azy ireo tamin’izany. Nisy dihy ihany koa nanampy izay.
“Tsy hatsaran-tarehy sy bika ihany, fa ny fahafaha-miezaka amin’ny toetra, ny fifehezana teny vahiny, ny fahatokisan-tena, sns, dia anisan’ny masontsivana apetraka amin’ireo mpifaninana”, hoy ny nambaran-dRavelomanantsoa Onitiana, filohan’ny komity mpikarakara. Tovovavy eo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 23 taona izy ireo, ary ny ankamaroany dia mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony. Hanaraka fiofanana maromaro ireo voafantina, mialoha ny dingana manaraka amin’ny fifaninanana. Mahakasika sehatra sy lohahevitra maro izany, satria hitondra teny, hitondra ady iombonana izay lany eo.
Fantatra fa hisy ny fitsidihana ny Rovan’Antananarivo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ato ho ato. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fahalalana, ny traikefa, ny fahaiza-manao ho an’ireto tovovavy ireto hatrany izany. Ny 6 desambra kosa indray ny fifanintsanana manaraka.
Zo ny Aina





