« Ny androko. Ny zoko. Ny hoaviko ». Io no lohahevitra novoizina tamin’ity taona ity ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy. Niray feo nanandratra ny faniriany ho amin’ny hoaviny ireo ankizy, omaly.
Ankizy sy tanora manodidina ny 300, eo anelanelan’ny 4 ka hatramin’ny 17 taona, no nivory ny sabotsy teo, tetsy Andraharo, mba hampahafantatra ireo zavatra heveriny fa laharam-pahamehana ho an’ny hoaviny. Nisy lalao sy lalam-pandalovana misy sakana natao hifanaraka amin’ny sokajin-taonan’ny ankizy. Tsy fifaninanana no tanjona tamin’izany, fa ny hahafahan’izy ireo mahafantatra na mahatsiaro indray ireo zony.
Taorian’izany, niroso tamin’ ny sehatra iray ahafahany maneho ny safidiny sy ny hetahetany momba ny ho avy ireo ankizy. Teo ihany koa izy ireo no nanondro ireo zo sy sehatra heveriny fa tokony homena laharam-pahamehana, mba hahafahany mitombo sy mivelatra ao anatin’ny fitomboany.
Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-80 taona nijoroan’ny Unicef sy nanaovany asa ho an’ny ankizy maneran-tany ny hetsika. Manamafy indray ny Unicef fa mbola vonona hanohy ny fanohanany ny ankizy eto Madagasikara.
Efa 42 taona izao no niasany teto an-toerana, niaraka tamin’ny fanjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka aminy. « Fotoana iray hankalazana ny fandrosoana efa vita izao tsingerintaona izao. Hijerena ny ho avy sy hampahatsiahivana fa ny fampiasam-bola ho an’ny ankizy dia fampiasam-bola amin’ny harena maha olona sy amin’ny hoavin’i Madagasikara », hoy i Gilles Chevalier, solontenan’ny Unicef eto Madagasikara.
Ireo laharam-pahamehana nambaran’ny ankizy ireo dia hampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny manampahefana sy ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona amin’izany ny hahatonga ny feon’ny ankizy ho hery manosika amin’ny fanamafisana ny fanoloran-tena sy ny hetsika ho fiarovana ny zony sy ny tombontsoany.
Tatiana A





