Nanaovana andrana ny MLE: nihatsara ny fifehezan’ny mpianatry ny T1 ny vakiteny

Nifototra amin’ny zavatra telo no namolavolana ny MLE. Ny fomba famakian’ny zaza teny sy ny fanadihadiana ny teny malagasy ary ny fandrasain’ny sain’ny ankizy ny teny.

N ihatsara ny fifehezan’ ny mpianatra T1 ny vakiteny sy ny fanoratana rehefa nampiharina ny fomba vaovao «méthode de lecture écriture» (MLE) no­volavolain’ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fanabeazana ary notohanan’ny USAID sy ny Family Heath International 360 (FHI).

Nanomboka ny taona 2018 ny andrana notontosaina tamin’ny sekoly 60 teto amin’ny faritra Ana­la­manga sy Boeny. Dimy taona aty aoriana, nisongadina fa nisy fivoarana ny fahaizan’ny mpianatry ny T1 ny famakiana teny rehefa nampiasaina ny MLE raha mitaha tamin’ny sekoly tsy nanaovana andrana. Niofana mialoha ny mpampianatra momba ny MLE ary nizarana boky torolalana hanamorana ny fampitàna. «Hatramin’izao, 30 000 ireo voaofana ary nampitomboina ny fanontana ny boky torolalana ahafahana manaparitaka ny MLE manerana ny toeram-pampianarana rehetra», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophil, omaly, teny Anosy. Mbola niompana tamin’ny kilasy T1 ny andrana fa tokony ho voasahana koa ny T2 sy T3 mandrafitra ny dingana voalohany amin’ny ambaratonga fototra. Novolavolaina hifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika ny fomba fampianarana mamaky teny.
Tsara koa ny vokatry ny andrana teto Madagasikara oharina amin’ny firenena hafa nampiharana ny MLE. An­isan’ny fomba hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara ny fanavaozana ny fomba fampitana fahalalana eny ifotony toy ny MLE.
«Tombanana hampiharina manerana ny kilasy T1 amin’ny faritra rehetra ny MLE amin’ny taom-pianarana 202 3-2024», hoy ny tale jeneralin’ny pedagojia, Andriami­akatsilavo Raoniherijaona.

Vonjy A.

Partager sur: