Tsy mbola nahazo karama roa volana : manaitra ny tomponandraikitra ny mpiasan’ ny Cnapmad

Manao hetsika fanairana ny tomponandraikitra mitantana ny Cnapmad sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ny mpiasan’ny Cnapmad fa tsy mbola nisitraka ny karama roa volana janoary sy febroary hatramin’ny omaly. Miverina matetika loatra ny fahatapa­han’ny karama ka mangataka fanatanterahana ny fampanantenan’ny minisitry ny Fa­na­be­azam-pirenena, telo taona lasa, izy ireo amin’ny handraisana mpiasa 52 ho mpiasam-panjakana. Eo ambany fifehezan’ny minisiteran’ny Fana­be­azam-pirenena ny Cnapmad izay mpanamboatra fitaovam-pianarana sy kojakoja samihafa ary misahana ny fanontana ny laza adina rehefa tonga ny fanadinam-panjakana. Efa nalefa eny anivon’ny sampandraharaha misahana ny mpiasa ny antontan-taratasy fa miandry ny valiny izy ireo. 90 ireo voakasiky ny tsy fandraisana karama.

Fanairana no natao omaly ary miandry hatramin’ny anio ireo mpiasa amin’ny valin-teny. Hiroso amin’ny filanjana sora-baventy izy ireo mandra-pivoakan’ny karama roa volana raha tsy mivoaka izany. “Voalaza fa efa eny amin’ny minisiteran’ny Fitan­tanam-bola ny antontan-taratasy ka miangavy ny famoahana izahay”, araka ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ ny mpiasa, Razafilahy Rodin, omaly, teny Ankorondrano. Mijaly ny ankohonana vokatr’izao toe-javatra izao.

Vonjy A.

Partager sur: