Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny avy eo anivon’ ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanambara fa mijoro ho raiamandreny ary miantso fitoniana izy ireo, manoloana ny fitakiana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny CTC teny Ambohidahy, afakomaly.
“Efa niasa foana ireo mpiasa nitokona ireo ary efa nahazo ny “poste budgétaire” avy amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamamonjy Haja.
«Efa misy ny laminasa amin’ny fandraisana ireo mpiasa ireo ka tokony hiandry ny fandaminana izy ireo”, hoy hatrany izy. Efa noraisina ho mpiasam-panjakana ny ampahany tamin’ireo mpiasa ireo, araka ny laharana faha-812. Nilaza ny minisitera fa mbola mitohy ny ezaka ataon’ny fanjakana handray ireo te hiasa fa tsy maintsy hajaina ny fandaminana sy ny fepetra.
“Takina ny fahaiza-manao sy ny fitondran-tena mendrika ho an’ireo mpiasa horaisina nanomboka tamin’ny fotoana nisian’ny valaranaretina ka hatramin’izao”, hoy hatrany ny fanazavana. Nangataka ireo mpiasa eo anivon’ny CTC ny minisitera mba hiandry am-pitoniana ny lamina. Nohamafisiny fa vonona mandrakariva amin’ny fifampiresahana izy ireo raha ilaina izany.
Mino (mpianatra asa)