Toetr’andro : ho betsaka ny orana manomboka rahampitso

Ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra sy distrika maro eto Madagasikara ma­nomboka ny zoma izao. Vi­navinaina hatramin’ny alatsinainy hoavy izao izany, araka ny fampitam-baovaon’ny sampana foibe mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mety hiteraka fiakaran’ny rano mi­androna sy ny renirano izany. Nahazo fampitandremana ny faritra maro eto amin’ ny Nosy manoloana izany. Fi­lazana fampitandremana miloko mavo ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Filazana fampitandremana miloko mai­tso ho an’ny faritra Boeny, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Be­salampy, Maintirano, Antsal­o­va, Morafenobe, Belo Tsiri­bihina, Morondava, Manja, Analalava, Antsohihy ary Port-Berger.

Iangaviana ny mponina mipetraka eny amin’ny faritra ahina hiakaran’ny rano sy ny toerana iva. Mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra tsirairay. Hisorohana ny loza mety hiseho, araka ny fanambarana voaray hatrany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: