Festival Soavakoky 2026 : Hetsika ara-kolontsaina lehibe hatao any Anosy

Hotanterahina any Faradofay, Taolagnaro, faritra Anosy, ny 28 sy 29 novambra izao, ny « Festival Soavakoky 2026 ». Hetsika ara-kolontsaina lehibe indrindra any amin’ny faritra Atsimo izy ity.

Manana ny teny filamatra ity andiany 2026 ity, dia ny “Kolotsay velo, Firene vagno”. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io roa andro io, izay hanasongadinana ny ko­lontsaina raiketin’ny Soava­koky. Hisy ny dihy an-dalambe ho fanombohana ny hetsika, ka vehivavy sy tovovavy manao akanjo mena sy rafia no manatanteraka izany. Ani­san’ny kolontsaina sady fanatanjahantena nentim-paharazana, mampiavaka ny faritra Anosy ihany koa ny tolona ka hisy ny Ringa hanaovana fifaninanana tolona mandritra ity Festival ity, izay hatao eny amoron-dranomasina. Ankoatra izany, tafiditra ao anatin’ny fampirantiana ny fampisehoana hanehoana kolontsaina any an-toerana ny fifaninanana Mangaliba sy Sarandra. Vondrona samihafa avy amin’ny kaominina manodidina no mifaninana amin’izany, izay samy manao akanjo nentim-paharazana ary mihira sy mandihy. Amin’ny maha hetsika ara-kolontsaina azy, hisy ny fampirantiana sy fampisehoana ireo vokatra ao an-toerana. Tsy afa-mi­saraka amin’ny fampisehoana ny hetsika toy izao, ka hisy ny mpanakanto maro ho avy amin’io fotoana io. Hitohy
amin’ny afomanga manoloana ny Lapan’ny Tanàna ao Fa­radofay izany. Anisan’ny hampiavaka ity « Festival Soa­vakoky 2026 » ity ny fametrahana vato fototra sy fanokafana ny Pic Saint Louis, izay toerana manan-tantara ao Faradofay. Hisy ny fitsidihana ity toerana ity amin’io fotoana io, raha ny fandaharam-potoana. Ny faritra Anosy miaraka amin’ny kaominina an-drenivohitra Fa­radofay ary ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika.

Mi.Raz

Partager sur: