Mpianatra mozika 17 mianadahy eo anivon’ny Anac (Akademiam-pirenena momba ny zava-kanto sy ny kolontsaina) no nanatontosa ny seho, notronin’ireo mpampianatra, teny amin’ny foiben’ny Anac Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Tonga maro nanotrona ity seho voalohany nataon’ny mpianatra ity ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra sy tomponandraikitra samihafa.
Faradoboka Antsirabe 2026 ! « Dia…. ho ao amin’ny FLM Mahazoarivo Antsirabe indray izahay Tanora Masina Itaosy amin’ny alahady 29 novambra 2026 izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, rehefa avy ao amin’ny FLM Antsirabe an-tampon-tanàna, ny sabotsy 28 novambra », hoy ny fampahafantarana nataon’ny Tanora Masina Itaosy, ho an’ny seho ataony hamaramparanana ny taona 2026. Iray amin’ireo antoko mpihira mahavita seho maro ao anatin’ny taona iray ity tarika ity.
Nodimandry i Balita, ao amin’ny tarika Ny Any Aminay sy Magnifique Sonore. Hatairana ny an’ireo akaiky azy raha namoaka ny ferapara ny nahalasanan’i Mamy Ralaiarisoa ny tarika. Mpitendry ny vatamaroafitsoka no tena nahafantarana azy, ankoatra ny fihirana.





