Fitantanana tranga ahina ho ebola: Nohamafisina ny fanazarantena ara-tahaka

Notanterahina tao Nosy Be Hell-Ville, teny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo, nandritra ny roa andro, ny fanazarantena ara-tahaka momba ny fitantanana tranga ahiahina ho Ebola. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-miomana sy ny fandrindrana ny asan’ireo mpiantsehatra rehetra eny amin’ireo toerana fidirana sy fivoahana iraisam-pirenena, hahafahana mamantatra haingana sy mandray an-tanana ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ireo tranga ahina.
Dingana tsy maintsy atao amin’ny fisorohana sy ny fiomanana amin’ny mety ho fidiran’ny aretina eto Madaga­sikara izao fanazarantena izao. Ahitana sahady ireo paikady mahomby ahafahana mifehy ireo aretina mampiahiahy sy mandray an-tanana ireo mety ho tranga.
Hita taratra nandritra ny fanazarantena ny tanjaka sy fanatsarana mbola azo entina manoloana ny trangan’aretina mampiahiahy.
Dingana lehibe no vita, satria nahafahana manatsara ny fiaraha-miasa, ny fifampitam-baovao ary ny fahavononan’ireo sampandraharaha rehetra hiatrika ny loza ara-pahasalamana.
Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka sy ny OMS, Strides (Strengthening Infectious Disease Detection Systems), ary ny OIM Madagascar & Comores no nahafahana na­natontosa ny hetsika.

Vonjy

Partager sur: