Mila olona hotahafina

 

Rahoviana vao tena hanomboka ny fikaonandoham-pirenena hoe miainga any ifotony? Tsy vitsy ny manon­tany tena ny amin’izany. Tsy ny hadino lava ve no mahavery ny entana? Na ny andraso lava no mahataraiky izay aleha sy atao… Mila fanovana sy fanavaozana? Be ny efa kivy ambony ihany amin’izao fa hihemotra hatramin’ny fanatanterahana fifidianana, raha izao no mitohy, sanatria. Mila atomboka amin’izay fomba fisaina sy fiasa izay ny fanovana sy fanavaozana? Tsy manao ampitso ampi­tso lava tsy misy farany, sahy mamaky bantsilana izay sakana fa tsy manao ankifonofono na teny tsy loa-body, tsy mihevitra ny vahoaka ho zaza bodo na bado amin’ny tian-kano tsy tian-kano toy ny hanin’andevo na mandeha tsy fidiny toy ny faty entina alina…
Tsy mety raha ny hafa terena hiova, nefa ny tena mifikitra amin’ny rafitra sy fomba efa lany andro. Tena mila fanovana sy fanavaozana. Tsy moramora ary tsy vita vetivety izany, saingy tsy maintsy atomboka. Lazaina izay atao, atao izay lazaina. Izay no isian’ny fifampitokisana, mampilamina, mampandroso… Mahafohifohy fisaina raha vao amin’ny fanomanana sy fikarakarana fikaonandoham-pirenena dia efa miseholany ny tsy fiovana na fanavaozana amin’ny fomba fiasa sy fifandraisana. Amin’izany, mila mahazaka fanakianana sy fanitsiana koa izay manao ny tsy mety na tsy manam-piovana amin’ny ataony sy lazainy. Na iza izy na iza, na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana…
Iza no ndeha homen-tsiny na hanilihana andraikitra amin’ny tsy fahombiazana, tsy fahatokisan-tena, tsy
fijerena lavitra amin’izay mety ho vokatry ny atao sy
lazaina… ? Ny tena ihany no antony. Mila rafitra sy olona hotahafina ny hoe fanovana sy fanavaozana: iza ary aiza?

R. Nd.

Partager sur: