Nahazo fahafahana vonjimaika ny enina: Hotsaraina amin’ny marsa 2027 ny Raharaha Ambohimalaza

Nivoaka ny didy savaranonando mahakasika ny Raharaha Ambohimalaza. Olona enina tamin’ireo 11 nahazo fahafahana vonjimaika. Naverina any am-ponja i Fenohasina sy ny mamany.

Nisongadina tamin’ny fo­toam-pitsarana, omaly, ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpi­solovava niaro ireo olona 11 voampanga tamin’ny Raha­raha Ambohimalaza. Niato teo amin’ny adiny iray mahery teo ny fitsarana taorian’izay. Ta­min’ny 5 ora sy sasany hariva, namoaka didy savaravina ny lehiben’ny mpitsara. Olona eni­na tamin’ireo voampanga no nekena ny fangatahan’ny mpisolovava azy hahazo fahafahana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Anisan’ izany i Nasandratriniaina Mendrika Lavorary, Ratolojana­hary Lalatiana Marinah, Ravo­niarisoa Faraniaina Viviane, Rafaliarivo Honoré, Ramami­nionja Lanjasoa ary Randria­ma­hatoky Arimisa. Nolavina kosa ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireo olona dimy ambiny dia Randriaman­ga Clarisse, Razafindravony antsoina hoe Rabebe, Nambi­nintsoa Jiza Ralison, Rako­toarimanana Mamonjiniaina Fenohasina ary Rakotosami­ma­nana Mamonjiarisoa Olga (renin’i Fenohasina). Namba­ran’ny lehiben’ny mpitsara, fa haverina any amin’ny Zokiolo­na mpitsara mpanao famotorana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny raharaha satria mbola hisy ny fitadiavana ireo fanampim-baovao sy fanadihadiana fanampiny. Nanendry mpitsara hitady sy hanatanteraka ny fikarohana ny fitsarana.

Afaka efa-bolana
Nahemotry ny fitsarana misahana ny ady heloka beva­va tsotra amin’ny fotoana manaraka, araka izany, ny fotoam-pitsarana, araka ny andininy faha-420 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka. Mbola misy ny fanampim-baovao sy ny fanadihadiana fanampiny izay mbola andrasana, anton’izany. Tanjona ny hahahafana mitady ny marina mahakasika ny raharaha. « Ny fampiatoana ny raharaha no nantenain’ireo mpisolovava tamin’ny famoahana ny didy savaranonando, omaly, fa tsy ny fanemorana ny fotoam-pitsara­na », hoy ny Me Ravoavison Veron. Nambarany fa mety any amin’ny volana marsa 2027 indray no hotanterahina ny fotoam-pitsarana manaraka, raha tratra ny fanampim-baovao tadiavina. «Mety hi­he­motra aorian’izay anefa izany raha mbola tsy feno ny zavatra takina», hoy izy. Nisonga­dina tamin’ny fotoam-pitsarana koa ny fijerena ireo rakitsary tao anatin’ny Disque dure tany amin’ny zandary. Marihi­na fa tsy mbola tonga namaly ny antson’ny fampanoavana ho avy eo alohan’ny fitsarana ny zandary mpanao famotorana tamin’ity raharaha ity.

Mino

Partager sur: