Nanao fanambarana tamin’ny tambajotran-tserasera ireo fianakavian’ Itompokolahy depiote Jean Jacques Rabenirina, omaly. Tsy afa-po tamin’ny didy izay navoakan’ny fitsarana mahakasika ny nahafatesan’ity farany ireo fianakaviany. Maro loatra ireo fanontaniana izay tsy nahazoana valiny mazava ary natao tsy nisy dikany. Hanangana komity mpanohana hitady ny marina momba ny fahalasanany izy ireo.
Lehilahy iray no tsikaritra nikitika sy namoha varavaran’olona tany Avaratsena Tsiroanomandidy, ny 19 novambra 2026 teo. Tamin’ny 12 ora alina ny fotoana nanaovany izany. Nalain’ny tompon-trano sary tamin’ny finday ity farany ary lasa nitsoaka vao nahatazana izany. Voasambotra ny ampitson’io ity farany rehefa nihaodihaody tao Avaratsena.





