Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2026» : Nomen’ny Yas lelavola 12 tapitrisa Ar izy dimy lahy

Efa tonga eto an-tanindrazana, omaly, ny delegasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, izay avy nahazo ny medaly volamena tamin’ ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial”, tany Thaïlande, ny 22- 25 novambra lasa teo. Noraisin’ny Yas Madagasikara, teny Andra­haro, ry zareo, io omaly io ihany ary notoloran’ity orinasa ity lelavola 12 tapitrisa Ariary noho io vokatra tsara nentin’izy ireo ho an’ny firenena io. Notsiahivin’ny mpitantana ny Federasiona malagasin’ny Sport-boule (FSBM) fa zava-dehibe ho azy ireo ny fanohanan’ny Yas. Anisan’ireo mpanohana mampiroborobo ny taranja ity farany ka nahazoana izao vokatra tsara izao. Ampahafantarina ihany fa i Madagasikara no nandavo an’i France, 13 no ho 9, ta­min’ny lalao famaranan’ity fifanintsanana maneran-tany ity. Marihina fa tamin’ny Mondial 2024, natao tany France teo, nitondra medaly volamena ho an’ny “tir de précision” ny Malagasy raha toa ka volafo­tsy ny an’ireo olona telo mia­raka.

Lesoka
“Lesoka kely tamin’ilay fifaninanana tifitra iny ny orakoraka nisy nataon’ireo mpijery, somary nanelingelina ny fifantohan’ny mpilalao. Tsy natao ho ala-olana tsy nahazoana ny vokatra tsara moa izany fa entina hanazavana ny zava-misy fotsiny ihany”, hoy ny mpanazatra, Hery Moron­dava. Nilaza ity teknisianina ity fa vonona hatrany ny tenany hitondra ny ekipam-pirenena malagasy, raha mbola ilain’ny federasiona.

Fitia Randria

Partager sur: