« Miss Africa 2026»: Ho fantatra rahampitso izay hisalotra ny anaram-boninahitra

Tovovavy 10, avy amina firenena afrikanina 5. Izy ireo no hifaninana izay hisalotra ny anaram-boninahitra «Miss Africa» amin’ity taona ity. Hotontosaina rahampitso, eto Antananarivo, eny amin’ny CCI Ivato, ny marina kokoa, ny famaranana izany. Avy any Côte d’Ivoire, Sénégal, Mayotte, Guinée Konakry ary eto Madagasikara ireto tovovavy ireto .
Efa nisy andiany voalohany tamin’ny taona 2024, ka «Miss Waka Waka» no anarany tamin’izany. Ny Antony satria nivoaka tamin’ny «Fes­tival Waka Waka» izany, ka tovovavy malagasy ihany no nandray anjara tany am-boalohany. Hitarina tsikelikely hanana ny lazany manerana an’i Afrika, ka firenena 5 aloha no nanana solontena amin’ity taona ity.
Hanaingo ny fifaninanana ho fampisehoana feno ry Black Nadia, Awilo Longom­ba, Stella Lyncha Ary D-Lain samy mpanakanto fanta-daza aty Afrika ireo, raha ny nambaran’ny mpikarakara.
Natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Soa­rano ny fampahafantarana ny hetsika, omaly. Ny antony, ny Orange Madagascar no mandray an-tanana ny fitsinjarana ny tapakila, amin’ny alalan’ny «Max’It». Ho fanohanan’izy ireo ny vehivavy mitondra tetikasa, ankoatra ny hatsaram-bika rahateo izany.

Zo ny Aina

Partager sur: