Fantatra fa nahemotra amin’ny 14 febroary 2027 ho avy izao ny fanombohana ny taom-pilalaovana baolina lavalava “Top12 2026-2027”, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Federasiona malagasin’ny rugby. Misy ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionin’ity taranja ity sy ny orinasa StarTimes mandritra ny lalao miisa 96, ary miisa 12 ny ekipa mandray anjara. Ao amin’ny fandaharana fanatanjahantena an’ny StarTimes, ny GasyStar, no ahitana azy.
Tokony hanomboka ny 29 novambra 2026 izao izy io, ary hifarana amin’ny volana mey 2027, saingy izao nahemotra izao.
Tsy tapaka ny fiaraha-miasa fa miandry amin’io faha-14 febroary io ny fanombohana azy. Tombanana ho vita ao anatin’ny enim-bolana ny fifaninanana. Hisy ny fampitana mivantana ny lalao, indray mandeha isaky ny alahady ary misy ny fampitana tsy mivantana indroa isan-kerinandro.
F.R.





