Trophées des champions : Ekipa GNVB efatra hiady lohany

Hamarana ny taom-pilalaovany ny Fede­ra­siona malagasin’ny Volley-ball (FMVB). Hanaka­to­nany izany ny “Trophées des champions Yas 2026”. Fihaonana hotanterahina anio, ao amin’ny kianja mi­tafon’Ankorondrano. Lalao ho an’ny sokajy U23 sy ny “senior” lahy sy vavy izy io. Misongadina ny ekipan’ny zandary satria miisa efatra ny klioba avy amin’ny GNVB hiatrika sy hiady lohany amin’izany. Izany hoe, misy GNVB avokoa izany ireo sokajy efatra ireo.
Hanokatra ny fihaonana ny an’ny U23, vehivavy, izay hifanandrinan’ny ASI sy ny Zandary. Hanala vela amin-dry zareo zandary amin’ity ny ekipan’ny ASI. Hanaraka io lalao io, ny fifanandrinana eo amin’ny “senior” vehivavy, ka hifandona ny GNVB sy ny Squad. Lalao hahaliana ny rehetra satria hifanandrina ny samy andrarezina. Ny folakandro, ny U23 lehilahy, ka hifampitana ny Zandary sy ny ASI ary hamarana ny lalao ny fihaonana “senior” lehilahy, hifanazavan’ny samy mpitandro ny filaminana. Ny zandary sy ny Cosfa izay hanala vela amin’ity lalao ity.

Tompondaka

Partager sur: