Ho fandravonana ny olana misy eo amin’ny samy mpivarotra, hotontosaina ny fifidianana izay ho filohan’ny birao vaovao hitantana ny mpivarotra eny Analakely. Nahatratra 345 isa ny mpivarotra ao anaty lisi-pifidianana.
Miisa 345 ireo mpivarotra ara-dalàna voasoratra anarana hiatrika ny fifidianana. Resy lahatra amin’ny fisian’ny SMGD ireo mpivarotra mpanohitra taloha. Hotanterahina anio ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fifidianana izay ho filohan’ny birao vaovao hitantana ny Tsenan’Analakely. Natao handravonana ny olana nisy teo amin’ny samy mpivarotra ny fifidianana.
Mba hisian’ny mangarahara, mijanona ho mpanara-maso ny fifidianana ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Anisan’ny nampilamina ny korontana ny fahalalahan-kevitra izay nataon’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, tamin’ireo mpivarotra. Tsiahivina fa ny ben’ny Tanàna no namaritra ny andro hanaovana ny fifidianana.
Marihina fa mikarakara ny fifidianana ny komitin’ny mpivarotra, Pavillon Analakely (KPPA). Miisa 13 ireo solontenan’ny mpivarotra isaky ny “sécteur”, izay mandrafitra ny KPPA. Ary misy solontena roa avy amin’ny “bonne gouvernance” sy roa avy ao amin’ny boriborintany voalohany.
“Tsy manao didy jadona ny ben’ny Tanàna”
“Tsy manao didy jadona ny ben’ny Tanànan’ny CUA”, hoy Ramatoa Ravololomanana Lalatiana, lehiben’ny fitaleavan’ny tsara tantana eo anivon’ny CUA, omaly. Tsiahivina fa nampiteraka ny olana ny fisian’ireo mpivarotra tsy nanaiky ny fisian’ny “digitalisation”. Taorian’izany, nisy ny fifidianana tsy ara-dalàna nataon’ireo mpivarotra sasany. Tsy neken’ny “préfet de police” ny voka-pifidianana noho ny tsy fanarahana ny fenitra mifehy ny fifidianana.
Nohamafisin-dRavololomanana Lalatiana fa mazava ny andraikitry ny CUA, ny hampangarahara ny fitantanana ny tsena. Natao hanatsarana ny fidiram-bola ao amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina.
Fitia (Mpianatra asa)




