Forum des métiers : tsara ny misafidy ny sampam-pianarana harahina

Ahitana hetsika «Forum des métiers » anio maraina, eny amin’ny Lycée Fana­votana Antsalovana 67 ha. Kara­karain’ny Promotion Daholo, andiany fahavalo eo anivon’ny sekoly. Natokana ho an’ireo mpianatra hanala ny fanadinam-panjakana bakalorea izany. Tanjona ny hampahafantatra sy hampisehoana ireo karazana sampam-pianarana tsara sy mety ho an’ireo mpianatra rehefa eny amin’ny ambaratonga ambony. Mba tsy hanano sarotra ny fisafidianana ny fianarana horantovina sy ny fitadiavan’asa any aoriana. Ahitana sampam-pianarana maro samihafa eny an-toerana. Toy ny indostria, call center, asa fiambenana, expédition express et logistique… Mi­ainga avy amin’ny nofinofy ny fanatanterahana ny asa, io ny teny manentana ny hetsika.
Misy ny fifanakalozana sy fizarana traikefa ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny orinasa maro mandritra ny hetsika. Ankoatra izay, misy tra­no heva hampirantiana sy ham­pahafantarana ny asa aman’andraikitra sahanin’izy ireo avy. Mba ho fantatr’ireo mpianatra dieny izao ny asa miandry azy arakaraky ny sampam-pianarana safidiany. Anisan’ny tonga eny an-toerana ny orinasa Maurilait, Inter Ex, FedEx Express de Ma­dagascar, TropiCall, Brinks, Mvola… Iandrasana ny fahatongavan’ny mpianatra hitsidika ny hetsika

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: