Niavaka teo amin’ny feony sy ny fahaizany mihira i Gabhy. Niaiky izany avokoa na ny teto Madagasikara na ny mpanakanto tany ivelany tamin’izany andro izany. Rariny loatra raha misy ny hetsika ho fahatsiarovana sy fampahafantarana ity kintan’ny kanto malagasy ity.
Mpahay kanto nanana ny maha izy azy fony fahavelony i Gabhy. Mpikambana tao amin’ny Kintana Telo niaraka tamin’i Salomon sy i Romule no tena nahafantaran’ny maro azy. Nahatratra 36 ny mpamoron-kira niara-niasa tamin’ity kintan’ny kanto malagasy ity. Anisan’ izany Rakotondrazafy Jean Jacques, tamin’ilay hira hoe “Satria tiako ianao”. Nahatratra 526 ny fitambaran’ny hira nohirainy, izay nametraka azy ho mpihira nikalo hira betsaka indrindra teto Madagasikara. Ankoatra ny fihirana, nahatratra 19 ny hira noforoniny. Hankalazaina ny 4 marsa 2023 ny tsingerin-taona faha-90 nahaterahan’i Gabhy. Izany indrindra no nanosika ny mpankafy sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina hikarakara hetsika ho fahatsiarovana azy.
Iza moa i Gabhy?
Rabehasina Gabriel no tena anarany. Teraka ny 4 marsa 1933 tao Antarandolo Fianarantsoa. Nodimandry ny 27 aogositra 2010, teo amin’ ny faha-77 taonany, rehefa nolazoin’ny aretina tao anatin’ny volana maro. “Olon’ny fihavanana izy ary mitandro tanteraka izany fihavanana sy filaminana izany. Olona tsotra ihany koa i Ghaby sady hentitra sy matotra ary tena sarotiny rehefa manao zavatra. Manaja ny hafa ary mametraka ny olona na zavatra iray ho ambony hatrany ihany koa izy. Manamarika izany ny fomba fiakanjony, izay manaja sy mendrika ny zavatra alehany”, hoy i Salomon, niara-nihira taminy tao amin’ny tarika Kintana Telo. Nisongadina tanteraka tamin’ny kanto nataony. Manamarina izany ny nahazoany ny mari-boninahitra samihafa. Teo ihany koa ny seho sy ny fampisehoana nataony tany ivelany (Frantsa, Korea Avaratra…), niarahany tamin’ny tarika nisy azy sy nanasan’ny tarika hafa azy, izay nanana akony tsara sy nahazoany fahombiazana hatrany.
Nandia fiainana sarotra
“Nijoro sy nitana ny toeran’ny raiamandreny izy teo anivon’ny fianakaviana. Tsy misorona manitsy sy mananatra ary tena sarotiny amin’ny fitondran-tena”, hoy ny solontenan’ny fianakaviana, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Tsy nety ny zanaka voalohany ho an’i Gabhy mivady. Mbola sahala amin’izay ihany ny faharoa, saingy, nanaraka hatramin’ny ain’ny vadiny mihitsy tamin’io faharoa io. Ireo zava-niseho tamin’ny fiainany ireo no anisany nahatonga ny tononkalo nosoratany hoe “Ny Zanako”, hita ao amin’ny boky nampitondrainy ny lohateny hoe “Vetso ihany sisa”.
Mitohy ny “Iray volana ho an’i Gabhy”
Ho fampahafantarana ny taranaka aty aoriana sy fahatsiarovana ity kintan’ny kanto malagasy ity, misy ny hetsika atao mandritra ny volana marsa. Fampiarantiana (2 marsa hatramin’ny 28 marsa , Trano Sary Ambohidahy) sy velakevitra roa (15 marsa, Trano Sary sy ny 22 marsa, Tranombokim-pirenena). Famoahana boky “Gabhy kintan’ ny kanto” mirakitra ny tantaram-piainany sy ny fandaharana manokana hovokarin’ny TVM (26 marsa). “Tsy andrarezina intsony fa efa anisan’ ny kintan’ny kanto malagasy raha i Gabhy. Rariny raha atokantsika hahatsiarovana azy ny volana marsa ary hampahafantarana ny taranaka aty aorina ny zava-bitan’izany kintan’ny kanto malagasy izany”, hoy Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina,.
Lin (Mpianatra asa) sy HaRy R.




