Teatra Vakivakim-piainana: hiverina ny fampisehoana tantara an-dampihazo

Tontosaina anio eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny “Teatra Vakivakim-piainana”. Fampisehoana an-dampihazo notakarina tamin’ny tantara foronina “Vakivakim-piainana”, nosoratan’Ihari­lan­to Patrick Andriamanga­tiana na IPA. Fiaraha-mia­san’ny Office national des arts et de la culture (OFNAC) sy ny fikambanana AKO no nahatanterahana izao hetsika izao. Efa vonona hatramin’ny ela ny mpikarakara sy ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity.

Somary natoritory ny mpisehatra eo anivon’ny teatra tato anatin’ny fotoana vitsy. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao. Tsapa ny hetahetan’ny mpankafy tantara an-dampihazo satria herinandro mialohan’ny hetsika dia efa lany sahady ny tapakila. Tanjona amin’izao ihany koa ny hampisehoan’ny tanora mpanao teatra vao misandratra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany.

Nosafidina manokana ny asa soratr’Iharilanto Patrick Andriamangatiana noho ity tantara foronina ity tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ao amin’ny kilasy famaranana. Tanjona, araka izany, ny hampiaina mivantana ity tantara foronina ity ho tombontsoan’ny mpianatra sy famerenana ny hasin’ny teatra malagasy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: