Amin’ny alalan’ny rantsantanana no hivoahan’ny aingampanahy ! Hanaporofo io fomba fitenin’ny mpitendry zavamaneno io i Rindra Ramarosandratana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «7 ème Dimanche classique» karakarain’ny Madagascar Mozarteum, hitendry ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany izy.
Fampisehoana hotanterahina etsy amin’ny AFT Andavamamba, ny alahady 5 marsa izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Holalaoviny amin’izany ny sanganasan’i Johann Sebastian Bach, Ludwig Van Beethoven, Fréderic Chopin, Félix Mendelssohn, Claude Debussy.
HaRy Razafindrakoto




