Mandalo an-tanindrazana: manomana ny faha-35 taona nikosehana kapila i DJ Dina

Anisan’ireo mpikosoka kapila zokiny i DJ Dina. Maro ireo mahatsiaro ny fahatanorany tany amin’ny manodidina ny taona 2000 tany, raha maheno ny anarany. Monina any andafy ity mpikosoka kapila malaza ity, saingy mandalo matetika eto Madagasi­kara ihany. Eto indrindra izy izao, manomboka ny fankalazana ny faha-35 taona nikosehany kapila, amin’io taona ho avy io. Tsy handalo fotsiny fa manome fotoana ireo te hilanona hiaraka aminy i DJ Dina, anio manomboka amin’ny 9 ora alina, etsy amin’ny Oxy­gène Centell Antanimena. Hitohy any Antsirabe izany ny 4 marsa, Mahajanga ny 10 sy 11 marsa, Nosy Be ny 17 sy 18 marsa ary hiverina eto Antananarivo, etsy amin’ny Ethnika ny 24 marsa. Any Toli­ara kosa ny 30 marsa ary ho­faranana any Mangily ny 1 avrily ny lanonana iarahana amin’ity mpikosoka kapila ity amin’izao fandalovany izao.

Zo ny Aina

Partager sur: