Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana momba ity teratany vahiny ity. Ny alarobia teo, sendra ny zandary izy ka nosavaina avy hatrany. Tsy nisy taratasy momba azy tany aminy. Mbola nanda ny hamaly ny fanadihadiana tsotra nataon’ireo mpitandro filaminana izy, hoy ny loharanom-baovao iray.
Nanova anarana koa ralehilahy. Araka izany, nisalasala ireo zandary fa tsy nitovy amin’ilay voafonja karohina izy. Tsy nitovy tamin’ilay sary niparika sy voarainy ilay teratany vahiny hitany. Araka izany, nanao ny tatitra rehetra tamin’ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraikitra hafa ny zandary avy ao Analalava. Voamarina taorian’izay fa ilay gadra tafatsoaka mihitsy ity vazaha ity, hoy ireo tompon’andraikitra ao Mampikony. Voatazona tamin’izay ny tenany. Miandry ireo mpiandry fonja haka azy ao Antonibe, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa H.