Mamiratra maneran-tany ny mozika malagasy ! Vao avy nanaporofo izany indray ny tarika Takasy Hasy sy i Vakamiarina, izay nahazo ny laharana fahatelo tamin’ilay « World Music Trophy », notontosaina tany Texas. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, nitantara ny zava-nisy tany an-toerana ny tarika Takasy Hasy ny faran’ny herinandro teo. “Efa maromaro ireo mpikarakara hetsika sy mpanakanto vahiny no nikitika anay taorian’iny hetsika iny. Mbola mijery tsara izahay alohan’ny hisafidianana izay hiaraha-miasa”, hoy ny nambaran’i Tah Manana nandritra izany. “Nanome ny tsara indrindra izahay, na teo aza ny harerahana”, hoy kosa ny nambaran’i Bosco.
Ho fanamafisana ny tohin’ny lalan’ny tarika, eo ampanomanana ny rakikira faharoa izy ireo. Azo antoka fa dingana voalohany ihany iny hoan’ny Takasy Hasy, kanefa nanokatra ny lalana eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ihany koa.
Zo ny Aina