Manao tampody fohy i Freddy : nahazo filazana fanairana ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana

Na mbola maivana aza ny herin’ilay andro ratsy avy amin’ny sisan-drahon’i Freddy, ahina hivadika ho rivodoza indray izy. Efa nahazo filazana fanairana sahady ny faritra Menabe sy Atsimo Andrefana.

Niverina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, omaly maraina ny sisan’ilay rivodoza Freddy rehefa nijanona andro vitsivitsy tany Mo­zam­bika. Malefaka ny heriny. «Lavitra ny foibeny ireo tangoron’orambaratra matanjaka miaraka aminy», hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Manodidina ny 20 ka hatramin’ny 35 km isan’ora ny rivotra akaiky ny foibeny. Hahatratra 50 km isan’ora ny ao anaty oram-baratra. Tombanana hikisaka hiatsinanana somary atsimo atsinanana ity andro ratsy ity, ao anatin’ny efatra andro ho avy. Hanakaiky ny morontsiraky ny faritra Atsi­mo Andrefana izy rahampitso na ny alatsinainy ho avy izao.
Raha ny antontan-kevitra voaray omaly, tombanana hi­hatsara ny tontolo hi­vo­arany. Ahina hitombo he­ry ka ho lasa rivodoza indray ity andro ratsy ity. Noho izany, mikorontana miandalana ny toetry ny andro amin’ny morontsiraka andrefana sy atsimo andrefana ary atsi­mon’ny Nosy nanomboka halina.

Oram-baratra manerana ny Nosy
Nanomboka nahazo rotsakorana betsaka (50 ka hatramin’ny 120 mm) ny tapany andrefana sy atsimo andre­fan’ny Nosy, nanomboka omaly. Efa nikorontana kosa ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana. Ho fiomanana manoloana ny mety ho voka-dratsy ho aterany, nahazo filazana fa­na­irana ny faritra Atsimo An­dre­fana sy Menabe.
Efa entanina tsy handriaka intsony ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Be­salampy ka hatrany Cap Ste Marie mipaka any Vangain­dra­no. Entanina ny rehetra ha­naraka ny toromarika omen’ ny manam-pahefana eny ifotony.
Hisy ny vaovao manokana mikasika ny andro ratsy manomboka anio. Ho araha-maso akaiky ny fivoarany. Momba ny fironan’ny toetry ny andro, ho avy aloha ny oram-baratra toa ny eto Analamanga omaly, hitohy mandritra ny efarana.
Ahina ny fiakaran’ny renirano vokatry ny rotsakorana. Entanina ireo mponina amin’ ny toerana iva hamonjy ny faritra avo. Mila mitandrina amin’ny mety ho fihotsahan’ ny tany tampoka. Voakasik’ izany ny distrika maromaro manomboka any Maintirano, Morafenobe hatrany An­tso­hihy sy Port-Berger.

Ahina hitombo ny traboina
116 701 ny olona traboina avy amin’ny fianakaviana 27 692 tamin’ny faritra fito voakasika: Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana , Atsi­na­nana , Matsiatra Ambony , Menabe sy Amoron’i Mania taorian’ny fandalovan’ny ri­vo­doza Freddy. Tatitra farany navoakan’ny BNGRC. Ahina hiakatra ny antontanisa satria hiverina an-tanety indray izy.
Fito ny olona namoy ny ainy. Olona 48 415 tamin’ny tokantrano16 489 nafindra toerana vonjimaika. 54 ny toerana fandraisana traboina vonjimaika, mitsinjara amin’ireo faritra roa Vatovavy sy Fi­to­vinany.

Nitondra takaitra mavesatra koa ny lafiny fampianarana. 654 ny toeram-pianarana nahitana fahasimbana. 692 no simba amin’ny ampahany. 318 ny sekoly rava tanteraka. 70 272 ny isan’ny mpianatra voakasiky ny faharavan’ny toeram-pampianarana. Ny fa­ritra Vatovinany no betsaka indrindra . 455 ny sekoly sam­ba, mandray mpianatra 48 161 any an-toerana.

Vonjy A.

Partager sur: