Lasa tanàna Orange Antsahalalina, distrikan’i Manjakadriana ny taona 2019 noho ny fanohanana nentin’ny Fondation Orange nahafahana nanavao tanteraka ny fotodrafitrasa samihafa. Efatra taona aty aoriana, nahazo ivontoerana manolotra fikarakarana ny zaza menavava, Maman kangourou, ny kaominina. Ny tobim-pahasalamana fototra CBSII ihany no nohatsaraina sy nampitaovana handraisana ireo zaza vao teraka. Ivontoerana faha-26 manerana ny Nosy napetraka ity ao Antsahalalina ity niarahana amin’ny fikambanana Compassion Madagascar. Azo handraisana an-tanana ireo zaza vao teraka tsy ampy lanja mila fikarakarana manokana amin’ny fomba tsotra tsy mandany vola ny ivontoerana. «Efa voaofana mialoha ny mpiasan’ny fahasalamana hisahana ny ivontoerana ary novatsiana fitaovana ny toerana ho an’ny reny sy ny zaza menavava», hoy ny filohan’ny Orange solidarité, Benja Arson nandritra ny fitokanana ny ivontoerana. Manome lanja ny fahasalamana sy ny fanabeazana ny Orange solidarité amin’ireo asa sahaniny ho an’ny mpiara-belona.
Ankoatra ny ivontoerana Maman kangourou, nohavaozina koa ny EPP ary namboarina ny paompy famatsiana rano madio fisotro ho an’ny mponina ao an-toerana samy avy amin’ny tohan’ny Orange solidarité avokoa.
Vonjy A.