Lalana « Autoroute » : honerana ny tompon’ny tany

Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalana migodana «autoroute» ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kly Andrianatrehina Ndria­mihaja Livah, ny alakamisy teo. Mirefy 20 km ny lalana efa voasoritra, ataon’ireo fiarabe sy ny fitaovana vaventy.
Misy ny bokin’andraikitra tsy maintsy hajain’ny orinasa manao ny asa. Efa eo am-pikarakarana ny antontan-taratasin’ny tompon-tany voakasiky ny tetikasa, entina hanonerana vola azy ireo. Eo koa ny fitandroana ny tontolo iainana, satria tsy maintsy misy ny fanadihadiana ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny tontolo iainana (EIE), araka ny fenitra iraisam-pirenena. Ao anatin’ireo ny fitandroana ny tanimbary sy ny voly, honerana ny tompon’ny tany.
Mirefy 260 km ity arabe migodana (Antananarivo-Toamasina) ity, ka fanamby hataon’ny orinasa egyptiana Samcrete ny hamitana ny 80 km amin’ity taona 2023 ity.

Njaka A.

Partager sur: