Tafaporitsaka ny telo… : tratra ny iray tamin’ireo jiolahy nangalatra vy

Voasambotry ny polisy mi­a­­sa ao amin’ny kaomisaria fo­i­be Toamasina, omaly ta­min’ny 1 ora sy 30 mn maraina, tao An­jo­ma ny iray tamin’ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy (fer 10). Na­ha­ray antso ny polisy fa misy andian-jiolahy tafiditra ao an-tokotaniny man­galatra vy 50 isa. Na­monjy ilay toerana misy ireto jiolahy ireto avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ireo mpangalatra vy. Hi­ta tao an-tokotany avokoa ireo jiolahy mitaona vy. Ni­ro­so tamin’ny fisamborana ny polisy ka tratra ny iray. Mbola tratra teny aminy avokoa ireo «fer 10» miisa 34. Tafatsoaka nandritra ny fahatongavan’ny polisy anefa ny jiolahy telo ka eo am-pikarohana azy ireo ny polisy. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ataon’ny polisy amin’ity jiolahy tratra ity. Fantatra fa misy olona mpiray tsikombakomba amin’izy ireo mandray ireo vy halatra saingy ao anatin’ny fanadihadiana izany ny polisy ao Toamasina.

Jean Claude

Partager sur: