Miadam-pikisaka ilay rivodoza Freddy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 195 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. 13 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary manangona hery tsikelikely ao an-dranomasina izy. Sokajiana ho “tempete tropical moderé” i Freddy hatry ny omaly.
Manodidina ny 80km isan’ ora ny rivotra entiny ary tafakatra 90km isan’ora ny tafiotra miaraka aminy. Mikisaka miatsinanana ny diany ary manatona miandalana ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara.
Hatramin’ny rahampitso, araka izany, dia hitsoaka mafy ny rivotra any andrefana sy atsimo andrefana. Hananontanona ny faritra Atsimo Andrefana izy anio ary hiverina any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ihany avy eo.
Mihatra hatrany ny filazana miloko mavo na loza manambana ho an’ny distrikan’i Toliara I sy II ary Betioky sy Morombe. Filazana miloko maitso kosa ho an’ny distrikan’i Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Benenitra ary Ampanihy. Ho an’ny fahabetsahan’ny rotsakorana dia naharay filazana miloko mavo ny ao amin’ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Ihorombe ary Melaky. Filazana miloko maitso kosa ho an’ny faritra Boeny, Menabe, distrikan’i Beroroha, Ankazoabo, Sakaraha, Benenitra ary Ampanihy.
Mikorontana tanteraka ny ranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika hatramin’ny alarobia any, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro hatrany. Miato avokoa ny asa an-dranomasina rehetra hisorohana ny loza.
Tatiana A